Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 20:13 - Baiboly Katolika

Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny Joda rehetra mbamin’ny vady aman-janany koa dia samy nijoro teo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny Jodeanina rehetra, mbamin’ny vadiny aman-janany koa, dia samy nitsangana nivavaka teo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny Jodeanina rehetra, mbamin’ny vadiny aman-janany koa, dia samy nitsangana nivavaka teo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Joda rehetra mbamin’ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny Joda rehetra mbamin’ny vady aman-janany koa dia samy nijoro teo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko



2Tantara 20:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»


Tamin’izay i Jahaziela zanak’i Zakariasa zanak’i Banaiasa zanak’i Jehiela zanak’i Mataniasa, Levita, amin’ny taranak’i Asafa dia voatsindrin’ny Fanahy avy amin’i Iaveh teo afovoan’ny fiangonana teo,


Raha mbola nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa nanao izany fivavahana amam-pieken-keloka izany, dia nisy vahoaka Israelita maro be, lehilahy sy zaza amam-behivavy nivory teo aminy; fa samy nirotsaka be ihany ny ranomason’ny vahoaka.


Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.


Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.


Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka.


ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin’ny mpikapa hazonao ka hatramin’ny mpantsaka ranonao,


Miseho eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin’i Israely,