Zanaka lahin’i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 17.200 ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
2Tantara 17:13 - Baiboly Katolika Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy ary koa miaramila sy lehilahy mahery tany Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy. Malagasy Bible Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy. La Bible en Malgache Nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy ary koa miaramila sy lehilahy mahery tany Jerosalema. |
Zanaka lahin’i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 17.200 ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.
Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.
Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin’i Jodà dia ireto no tomponarivo: i Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery 300.000, niaraka taminy;