Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 15:13 - Baiboly Katolika

ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa na iza na iza tsy mety mitady NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia hovonoina ho faty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka na iza na iza tsy mety mitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa na iza na iza tsy mety mitady NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia hovonoina ho faty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko



2Tantara 15:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa ry zareo tao am-baravaran’ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana.


Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.


Nanao feo avo izy nianiana tamin’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana sy feon-trômpetra aman’anjomara.


Any avokoa ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo afaka amin’ny tompony.


izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe, ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra, satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.


hitahy izay matahotra an’i Iaveh Izy, na ny kely, na ny lehibe.


«Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.


«Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby.


«Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.


sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh, izay tsy mitady an’i Iaveh, ary tsy manan-draharaha Aminy akory.


Noho ny fitahian’Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin’ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan’i Môizy sy ny mpaminany rahateo ny hahatanterahany,


Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.


ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.


Ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny mpanompo sy ny tompo dia nisitrika tany amin’ny zohy sy vaton’ny tendrombohitra,