Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 13:19 - Baiboly Katolika

Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanenjika an’i Jeroboama i Abia ka nahazo ny tanànany, dia i Betela mbamin’ny vohitra miankina aminy sy i Jesana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary i Efrona mbamin’ny vohitra miankina aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Abia nanenjika an’i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ny zana-bohiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanenjika an’i Jeroboama i Abia ka nahazo ny tanànany, dia i Betela mbamin’ny vohitra miankina aminy sy i Jesana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary i Efrona mbamin’ny vohitra miankina aminy.

Jereo ny toko



2Tantara 13:19
11 Rohy Ifampitohizana  

Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.


Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.


Tsy nahazo hery intsony i Jerôbôama tamin’ny andron’i Abià, fa nokapohin’i Iaveh izy ka maty.


Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.


nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.


Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe: Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.


Ary ianareo aza mijanona fa enjeho ny fahavalonareo, asio izy amin’ny vodilalany, aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo.»


Azony izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna rehetra momba azy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary nataony anatema avokoa ny manana aina rehetra tao, fa tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Toy ny nanaovan’i Jôsoe an’i Hebrôna sy ny nanaovany an’i Lebnà sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Dabira sy ny mpanjakany koa.


Azon’i Jôsoe avokoa ny tanànan’ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh.


Avy eo an-tampon’ny tendrombohitra dia nizotra ny faritry ny tany hatrany amin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà, nihatra amin’ny tanàna ao an-tendrombohitra Efrôna; nandroso ny faritry ny tany mankany Baala, dia Kariata-Jearima izany.


Nony hitan’ny olona amin’i Israely izay nitoetra tatỳ an-dafin’ny tany lemaka, sy tetỳ an-dafin’i Jordany, fa nandositra ny zanak’i Israely, sady maty koa i Saola sy ireo zanany, dia nilaozany ny tanànany ka lasa nandositra izy, dia tonga ny Filistinina ka nonina tao.