I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’i Iaveh ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
2Tantara 13:15 - Baiboly Katolika Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihoby ny lehilahy amin’ny Joda; ary raha nihoby izy dia tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jeroboama sy ny Israely rehetra teo anoloan’i Abia sy ny Joda. DIEM PROTESTANTA dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihoby ny lehilahy amin’ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an’i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’i Abia sy ny Joda. Malagasy Bible Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda. La Bible en Malgache Dia nihoby ny lehilahy amin’ny Joda; ary raha nihoby izy dia tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jeroboama sy ny Israely rehetra teo anoloan’i Abia sy ny Joda. |
I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’i Iaveh ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.
Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.
Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»
Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,
Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.
Nony tamin’ny fanimpitony raha nitsoka ny trômpetra ny mpisorona, dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Manakorà, fa efa natolotr’i Iaveh anareo ny tanàna.»
Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.
Ary i Sisarà mbamin’ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahin’i Iaveh tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baràka, ka nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra.