Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Samoela 4:1 - Baiboly Katolika

Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa ren’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrôna i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa ren’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrôna i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tànana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra.

Jereo ny toko



2Samoela 4:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Hirotsaka aminy tampoka aho, ilay mbola sasatra iny izy sy vizana ny tanany, dia hampivadi-po azy aho; ka ny vahoaka rehetra momba azy handositra, ary ny mpanjaka irery ihany no hasiako amin’izany,


Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.


Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany.


Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»


Noho izany ny tanana rehetra hiraviravy; ny fon’ny olombelona rehetra ho reraka,


Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!


Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.


Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tanana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.


Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema: Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!