Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Samoela 11:3 - Baiboly Katolika

Nasain’i Davida nanontaniana hoe: «Iza io vehivavy io?» ka izao no nolazain’ny olona azy: «Io no Betsabea, zanaka vavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria Hetita?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita.

Jereo ny toko



2Samoela 11:3
10 Rohy Ifampitohizana  

fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany, nihinana tamin’ny mofony, nisotro tamin’ny kapoakany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy.


i Elifeleta, zanak’i Asbaia zana-Makatiana anankiray: i Eliama zanak’i Akitôfela, avy any Gilaô;


I Oria, Heteanina. 37 no totaliny


Satria i Davida nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh fa tsy mba nivily tamin’ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Oria, Heteanina, ihany.


i Oria Heteanina, i Zabada zanak’i Oholỳ,


Nanjaka tany Jerosalema 33 taona indray izy. Ary ireto no naterany tany Jerosalema: i Simaà, i Sôbaba, i Natàna, i Salômôna, efa-dahy, tamin’i Betsoe zanaka vavin’i Amiela;


Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.


Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo, ka samy maneno amin’ny vadin’ny namany avy.