Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Samoela 1:1 - Baiboly Katolika

Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida ka hatramin’ny andro roa i Davida no nipetraka tao Sikelega.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Taorianan’ny nahafatesan’i Saoly, rehefa niverina avy nanafika ny Amalekita i Davida, dia nitoetra roa andro tao Ziklaga izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Taorianan’ny nahafatesan’i Saoly, rehefa niverina avy nanafika ny Amalekita i Davida, dia nitoetra roa andro tao Ziklaga izy.

Jereo ny toko



2Samoela 1:1
6 Rohy Ifampitohizana  

Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.


Dia nomen’i Akisa azy androtr’izay ihany i Sikelega; noho izany dia an’ny mpanjakan’i Jodà i Sikelega mandraka androany.


Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;


Dia hoy i Saola tamin’ity mpitondra fiadiany: «Tsoahy ny sabatrao ka atrobary ahy, fandrao dia ireo tsy mifora ireo indray no tonga manatrobaka ahy, ka halàny baraka aho». Tsy nety ilay mpitondra fiadiany, fa raiki-tahotra izy, ka i Saola no naka ny sabany, dia nianjera taminy.


Izany no niarahany maty androtr’izay ihany, dia i Saola sy ny zanany telo lahy, ary ny mpitondra fiadiany, mbamin’ny olona rehetra.