Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Mpanjaka 1:3 - Baiboly Katolika

Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ny tanin’i Israely rehetra ny olona, ka nahita an’i Abisaga Sonamita, ary nentina tao amin’ny mpanjaka io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitady zazavavy tsara tarehy manerana ny tanin’ny Israely rehetra izy ireo ka nahita an’i Abisaga sonemita izay noentiny tany amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin’ny tanin’i Israely manontolo ireto mpanompon’i Davida; ary tao Sonema no nahitany an’i Abisaga izay nentiny tany amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin’ny tanin’i Israely manontolo ireto mpanompon’i Davida; ary tao Sonema no nahitany an’i Abisaga izay nentiny tany amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ny tanin’ny Isiraely rehetra izy ka nahita an’i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitady zazavavy tsara tarehy manerana ny tanin’ny Israely rehetra izy ireo ka nahita an’i Abisaga sonemita izay noentiny tany amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko



1Mpanjaka 1:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny mpanompony taminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin’ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko.»


Tsara tarehy tokoa razazavavy, sady nitaiza sy nanompo ny mpanjaka, nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.


Dia lasa izy, nankany amin’ilay olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon’Andriamanitra dia nanao tamin’i Giezỳ mpanompony hoe: «Indry ilay vehivavy Sonamita,


Indray andro i Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.


Ka ny faritry ny taniny dia i Jezraela Kasalôta, i Sonema,


Nony tafangona ny Filistinina dia tonga nitoby tao Sonama; ary i Israely rehetra novorin’i Saola ka nitoby tao Jelbôe.