Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Korintiana 9:2 - Baiboly Katolika

Na tsy Apôstôly aza aho ho an’ny sasany, dia Apôstôly ho anareo tokoa, satria ianareo no tombokase maha-Apôstôly ahy ao amin’ny Tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha tsy apostoly ho an’ny sasany aza aho dia apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase maha apostoly ahy ao amin’ny Tompo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na dia tsy apôstôly aza aho ho an’ny sasany, dia apôstôly tokoa ho anareo. Satria noho ianareo tafaray amin’ny Tompo, dia ianareo mihitsy no porofon’ny maha apôstôly ahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia tsy apôstôly aza aho ho an’ny sasany, dia apôstôly tokoa ho anareo. Satria noho ianareo tafaray amin’ny Tompo, dia ianareo mihitsy no porofon’ny maha apôstôly ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha tsy Apostoly ho an’ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa hianareo no tombo-kase mah’Apostoly ahy ao amin’ny Tompo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha tsy apostoly ho an’ny sasany aza aho dia apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase maha apostoly ahy ao amin’ny Tompo.

Jereo ny toko



1Korintiana 9:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombokase fa marina Andriamanitra.


Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»


mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»


Izany no avaliko izay manadina ahy.


Fa teo aminareo no nisehoan’ny famantarana ny maha-Apôstôly ahy, dia tamin’ny faharetana amin’ny fahoriana rehetra, tamin’ny famantarana amam-pahagagana, sy tamin’ny hery maro.