Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
1Korintiana 8:5 - Baiboly Katolika Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy Tompo maro), Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro, DIEM PROTESTANTA Na dia misy aza izay atao hoe andriamanitra any an-danitra sy etỳ an-tany – toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro, – Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na dia misy aza izay atao hoe andriamanitra any an-danitra sy etỳ an-tany – toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro, – Baiboly Protestanta Malagasy Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); Malagasy Bible Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); La Bible en Malgache Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro, |
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va? - nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!... Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny, amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!
Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.
ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.
I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.