Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Korintiana 4:3 - Baiboly Katolika

Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy velively, na hotsarainareo aho na hotsarain’olona; fa ny tenako aza dia tsy mitsara ahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran’olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran’olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’olona; fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy velively, na hotsarainareo aho na hotsarain’olona; fa ny tenako aza dia tsy mitsara ahy.

Jereo ny toko



1Korintiana 4:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Aza dia mitsara araka ny ivelany, fa mbà mitsara araka ny marina!»


Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon’olona tsaraina.


ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:


Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.


Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy.


Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».