1Korintiana 3:3 - Baiboly Katolika Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? DIEM PROTESTANTA noho ianareo mbola fehezin’ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin’ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr’olombelona? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara noho ianareo mbola fehezin’ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin’ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr’olombelona? Baiboly Protestanta Malagasy fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? Malagasy Bible fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona? La Bible en Malgache fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? |
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.
Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany;
Raha ny iray hanao hoe: «Izaho an’i Paoly,» ny iray kosa hanao hoe: «Izaho an’i Apôlô,» moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany? Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly?
Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tiako no ahitako anareo; ary noho izany sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no ahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.