Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 6:15 - Baiboly Katolika

izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa ny hisehoan’i Kristy, amin’ny fotoana voatendry, dia hotanterahin’Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny Tompo:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny hisehoan’i Kristy, amin’ny fotoana voatendry, dia hotanterahin’Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny Tompo:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;

Jereo ny toko



1Timoty 6:15
16 Rohy Ifampitohizana  

I Artakserksesa mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, sns.


Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindram-pony.


Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!


Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.


Izaho no anjakan’ny mpanjaka, sy andidian’ny mpanapaka izay rariny.


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


Velona Aho, - teny marin’ny Mpanjaka, tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika: Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra, tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.


ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.


I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,


atoron’ny Evanjelin’ny voninahitr’Andriamanitra sambatra, izay napetraka tamiko.


Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.


izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,


Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.


izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.