fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
1Timoty 5:19 - Baiboly Katolika Aza mandray teny fiampangana Pretra, raha tsy misy vavolombelona roa na telo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mandray teny hiampangana loholona raha tsy misy vavolombelona roa na telo. DIEM PROTESTANTA Aza mandray teny fiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza mandray teny fiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. Malagasy Bible Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. La Bible en Malgache Aza mandray teny hiampangana loholona raha tsy misy vavolombelona roa na telo. |
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe: «Inona no iampanganareo io Lehilahy io?»
ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.
Fa hoy ny navaliko azy ireo: ‹Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.
Indro, fanintelon’ny hankanesako atỳ aminareo izao. Ary hotapahina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny zavatra rehetra.
Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana ho faty izay tokony ho faty, fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja tsy hamonoana azy.
Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin’ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin’ny vavolombelona roa na tenin’ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.
Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.
Novonoina tsy nasiana famindram-po akory izay nandika ny Lalàn’i Môizy, notondroin’ny vavolombelona roa na telo;