1Timoty 5:14 - Baiboly Katolika Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa tiako raha hanambady indray ny mpitondratena mbola tanora ary hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony ka tsy hanome vahana ny fahavalo hitenenany ratsy azy. DIEM PROTESTANTA Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin’ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin’ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika. Baiboly Protestanta Malagasy Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy. Malagasy Bible Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy. La Bible en Malgache Koa tiako raha hanambady indray ny mpitondratena mbola tanora ary hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony ka tsy hanome vahana ny fahavalo hitenenany ratsy azy. |
Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»
Nefa nampanesoinao an’i Iaveh ny fahavalony tamin’izany zavatra nataonao izany; ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.»
Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.
hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.
Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.
Fa izay ataoko dia mbola hataoko ihany, mba tsy hahita fialan-tsiny ry zareo mitady hevitra hampiharihary azy ho tahaka anay ihany amin’izay ireharehany.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.
Fa aza mandray ny mpitondratena tanora satria rehefa voan’ny filan’ny nofo ka tofoka an’i Kristy ireny, dia te hanambady indray,
Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan’ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny Anaran’Andriamanitra sy ny fampianarany.
hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.