1Timoty 5:12 - Baiboly Katolika ka meloka, fa nivadika ny teny napetrany voalohany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa meloka izy satria nandà ny fanekena nataony teo aloha. DIEM PROTESTANTA ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin’ilay toky nomeny an’i Kristy tam-boalohany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin’ilay toky nomeny an’i Kristy tam-boalohany. Baiboly Protestanta Malagasy ka hahazo fahamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy. Malagasy Bible ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy. La Bible en Malgache Koa meloka izy satria nandà ny fanekena nataony teo aloha. |
Ary raha misy noana, aoka hihinana any an-tranony izy, mba tsy ho fanamelohana anareo no hiangonanareo. Ny zavatra sisa dia halahatro rehefa tonga aho.
Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.
Fa aza mandray ny mpitondratena tanora satria rehefa voan’ny filan’ny nofo ka tofoka an’i Kristy ireny, dia te hanambady indray,
sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an’olona, miresaka ny tsy tokony horesahina.
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?