Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 1:18 - Baiboly Katolika

Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao mba hoentinao miady ny ady tsara,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao mba hoentinao miady ny ady tsara,

Jereo ny toko



1Timoty 1:18
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga tany Derbe sy Listra izy, ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timote, zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily. dia lasa, rehefa natolotry ny havana iray finoana hoentin’ny fahasoavan’ny Tompo.


Fa izany ihany no nanirahako ho etỳ aminareo an’i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay lala-nodiaviko ao amin’i Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin’ny Eglizy rehetra.


Zovy no mpiantafika miantoka ny fivelomany? Zovy no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny voany? Zovy no mpiandry omby aman’osy tsy mivelona amin’ny rononony?


izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra tokoa; niara-niasa tamiko tamin’ny Evanjely izy, toy ny zanaka miaraka amin-drainy.


mamangy an’i Timote, tena zanako amin’ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!


Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;


Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.


Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.


Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,


mamangy an’i Timote, zanako malala: ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika.


Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;


dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.


dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,