Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 1:24 - Baiboly Katolika

Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra; nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa «ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa hoy ny Soratra Masina: «Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra: malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy ny Soratra Masina: «Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra: malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ,,ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa «ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny;

Jereo ny toko



1Petera 1:24
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan’ny fahamasahany.


Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy; Lasa tsy mijanona hoatra ny aloka.


Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko, ary mirehitra, toy ny doran’ny afo, ny taolako.


Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,


Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-trano izy, izay malazo alohan’ny hanongotana azy.


Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny, ka halazo tahaka ny ahi-maitso.


Nataonao vody voampelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà


Manindrona azy toy ny nofy Ianao; ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;


Ny olona ketrina, tsy mahalala na inona na inona amin’izany; ary ny adala tsy mahita mangirana amin’izany.


Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;


Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?


kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo;


Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.