Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
1Petera 1:14 - Baiboly Katolika Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; DIEM PROTESTANTA Aoka ho fatra-panaiky an’Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin’ny tsy fahalalana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ho fatra-panaiky an’Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin’ny tsy fahalalana. Baiboly Protestanta Malagasy tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; Malagasy Bible tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; La Bible en Malgache Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; |
Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
Koa henoy ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.
fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!