Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 2:26 - Baiboly Katolika

Nanoratra izany ho anareo aho, ny amin’ireo manangoly anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny olona mamitaka anareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin’ireo mitady hamitaka anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin’ireo mitady hamitaka anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny mamitaka anareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny olona mamitaka anareo.

Jereo ny toko



1Jaona 2:26
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.


noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an’izany!


fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany.


Aoka ianareo tsy ho voasakan’olona tsy hahazo ny lokan’ady, amin’ny fitaomana anareo ho amin’ny fanetren-tena tsy izy, sy amin’ny fanompoana ny Anjely, dia olona mitompo amin’ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erỳ ao amin’ny fisainany manaraka ny nofo,


Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.


Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,


fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.


Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa.


Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.