1Jaona 2:14 - Baiboly Katolika Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. DIEM PROTESTANTA Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!» Baiboly Protestanta Malagasy Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany hianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo. Malagasy Bible Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. La Bible en Malgache Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. |
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa,
Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako.
Izay efa nisy hatramin’ny voalohany, sy efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny fiainana; -
Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.
Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo.
Faly loatra aho, fa nisy havana iray finoana tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: «Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon’ny fiainana izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra»