1Tantara 6:63 - Baiboly Katolika ny eny an-dafin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, atsinanan’i Jordany: avy amin’ny fokon-dRobena: i Bosora any an’efitra mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Jasà mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 any andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, atsinanan’i Jordana, avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bazera any an-tany efitra sy ny tany manodidina azy; i Jaza sy ny tany manodidina azy; DIEM PROTESTANTA nisy avy tamin’ny fokon’i Reobena, eny andafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa ary i Kedemôta sy i Mefahata mbamin’ny kijàna samy manodidina azy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nisy avy tamin’ny fokon’i Reobena, eny andafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa ary i Kedemôta sy i Mefahata mbamin’ny kijàna samy manodidina azy; Baiboly Protestanta Malagasy ary any an-dafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, atsinanan’i Jordana, koa dia avy tamin’ny firenen’i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy Malagasy Bible ary any an-dafin'i Jordana, tandrifin'i Jeriko, atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny firenen'i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy La Bible en Malgache any andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, atsinanan’i Jordana, avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bazera any an-tany efitra sy ny tany manodidina azy; i Jaza sy ny tany manodidina azy; |
Ny nomena ny Levita sisa taranak’i Merarỳ: avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Rimôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.
Dia i Bôsôra any an’efitra amin’ny tany lemaka ho an’ny Robenita; i Ramôta any Galaada ho an’ny Gadita; ary i Gôlàna any Basàna ho an’ny Manasita.
Tanàna 12 tamin’ny fokon-dRobena, sy fokon’i Gada, ary fokon’i Zabolôna, no azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany.