Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
1Tantara 28:6 - Baiboly Katolika Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamiko: I Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. DIEM PROTESTANTA Ary hoy Izy tamiko: «I Salômôna zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy Izy tamiko: «I Salômôna zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. Malagasy Bible Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamiko: I Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. |
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
Ary notanterahin’i Iaveh ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh ary nanao ny trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin’ny vahoaka maro toy ny vovo-tany aho.
Ary 60 hakiho no nisainy momba ny andry, ary nifanolotra tamin’ireo andry ireo ny kianja manodidina ny vavahady.
Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana Azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an’i Môizy.
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.