Mbola eo am-panaterana ny sorona i Absalôma, dia naniraka haka an’i Akitôfela, Gilaônita, mpanolo-tsaina an’i Davida tany Gilaô tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an’i Absalôma.
1Tantara 27:33 - Baiboly Katolika I Akitôfela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary i Kosaì, Arkeanina, dia sakaizan’ny mpanjaka; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Ahitofela dia mpanolotsaina ny mpanjaka; i Hosay arkita no namana akaiky ny mpanjaka; DIEM PROTESTANTA I Ahitôfela koa dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan’ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ahitôfela koa dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an’i Ahitofela dia Joiada, zanak’i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ny miaramilan’ny mpanjaka dia Joaba. Malagasy Bible ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba. La Bible en Malgache I Ahitofela dia mpanolotsaina ny mpanjaka; i Hosay arkita no namana akaiky ny mpanjaka; |
Mbola eo am-panaterana ny sorona i Absalôma, dia naniraka haka an’i Akitôfela, Gilaônita, mpanolo-tsaina an’i Davida tany Gilaô tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an’i Absalôma.
Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.
Dia niverina nankany an-tanàna i Kosaia sakaizan’i Davida, ka tamin’izay indrindra no nidiran’i Absalôma tao Jerosalema.
Toy ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’izay manontany Azy, ny hevitra nomen’i Akitôfela tamin’izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin’i Davida, na tamin’i Absalôma dia toy izany koa.
Nony hitan’i Akitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany ka niainga nandeha ho any amin’ny tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.
I Azariasa zanak’i Natàna no lehiben’ny mpikarakara ny hanin-kohanina; i Zaboda zanak’i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka;
I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.
Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.