1Tantara 27:14 - Baiboly Katolika I Banaiasa avy any Faratôna, isan-taranak’i Efraima no faha-11, ary 24.000 no isan’ny antokony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fahiraika amby folo, ho amin’ny volana fahiraika amby folo, dia i Benaia piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fahiraika ambin’ny folo, ho amin’ny volana fahiraika ambin’ny folo, dia Benaia Piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Malagasy Bible Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. La Bible en Malgache Ny fahiraika amby folo, ho amin’ny volana fahiraika amby folo, dia i Benaia piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. |
i Etay, zanak’i Ribaì avy any Gabaàn’ny taranak’i Benjamina, i Banaia avy any Faratôna.
I Maraì avy any Netofà amin’ny fianakavian’i Zarahita no faha-10, ho amin’ny volana faha-10, ary 24.000 no isan’ny antokony.
I Holdaì avy any Netofà, amin’ny fianakavian’i Otoniela, no faha-12, ho amin’ny volana faha-12, ary 24.000 isan’ny antokony.