1Tantara 23:22 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary maty i Eleazara nefa tsy nanan-janakalahy fa vavy avokoa; ny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady azy ireo. DIEM PROTESTANTA Maty tsy nitera-dahy i Elehazara fa vavy avokoa ny zaza navelany: ary dia nalain’ny zanakalahin’i Kisy rahalahin-drainy ho vady ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Maty tsy nitera-dahy i Elehazara fa vavy avokoa ny zaza navelany: ary dia nalain’ny zanakalahin’i Kisy rahalahin-drainy ho vady ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady ireo. Malagasy Bible Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo. La Bible en Malgache Ary maty i Eleazara nefa tsy nanan-janakalahy fa vavy avokoa; ny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady azy ireo. |