Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
1Tantara 22:15 - Baiboly Katolika Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra. DIEM PROTESTANTA Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary koa, efa manana mpiasa betsaka hianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. Malagasy Bible Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. La Bible en Malgache Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra. |
Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
Zanaky ny vehivavy mpitondra tena anankiray amin’ny fokon’i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tirianina, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin’i Salômôna mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra.
Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.
Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»
Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.
Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libàna ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao,
«Ny efôda dia hataony amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin’ny tenona lavorary.
Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asiana sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.»