Novorin’i Davida i Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an’i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Sirianina, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy.
1Tantara 19:17 - Baiboly Katolika Vao nandre izany vaovao izany i Davida dia namory an’i Israely rehetra ka nita an’i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin’ny Sirianina i Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo. DIEM PROTESTANTA Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nambara tamin’i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo. Malagasy Bible Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo. La Bible en Malgache Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo. |
Novorin’i Davida i Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an’i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Sirianina, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy.
Rehefa hitan’ny Sirianina fa resy teo anatrehan’i Israely izy, dia naniraka olona haka ny Sirianina tany an-dafin’ny ony izy; ary i Sôfàka komandin’ny tafik’i Adarezera no nitarika azy.
Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika.
Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo am-bavahadin’ny tanàna; iretsy mpanjaka tonga kosa nitokana teny an-tsaha.