1Tantara 18:16 - Baiboly Katolika i Sadôka zanak’i Akitoba, sy i Abimeleka zanak’i Abiatara, no mpisorona, i Sosa no mpanoratra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Abimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Saosa no mpitantsoratra; DIEM PROTESTANTA i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. Malagasy Bible Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. La Bible en Malgache i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Abimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Saosa no mpitantsoratra; |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
I Banaiasa zanak’i Jôiadasa no nataon’ny mpanjaka filohan’ny tafika, ho solony, ary i Sadôka no nataon’ny mpanjaka mpisorona, ho solon’i Abiatara.
I Elihôrefa sy i Ahià, zanak’i Sisà, no mpanoratra; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry boky;
I Jôaba zanak’i Sarvià no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;
i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.
I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.
I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.
Anankiray ihany tamin’ny zanak’i Akimeleka zanak’i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin’i Davida izy.