Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.
1Tantara 13:11 - Baiboly Katolika Nahatezitra an’i Davida ny nikapohin’i Iaveh an’i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe Ferets-Ozà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany. DIEM PROTESTANTA Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’i Jehovah an’i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’izany tany izany mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany. La Bible en Malgache Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany. |
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.
Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh ka nasian’Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan’ny Fiaran’Andriamanitra izy.
Natahotra an’i Iaveh i Davida tamin’izany andro izany, ka hoy izy: «Hanao ahoana ny hankanesan’ny Fiaran’i Iaveh any amiko?»
Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»
Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»
Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».
Ary nalevina teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Moaba, tandrifin’i Bety-Fogôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Nanangana vato roa ambin’ny folo i Jôsoe, teo afovoan’i Jordany, teo amin’ilay toerana nijanonan’ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak’androany izany.