Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:15 - Baiboly Katolika

Izy ireo no nita an’i Jordany, tamin’ny volana voalohany, fony izy nihoatra ny morony rehetra, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha na any atsinanana na any andrefana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 12:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Nisy nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda kosa ny taranak’i Benjamina sy i Jodà.


Raha ny mandeha tongotra, iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao; hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly? Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky, hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?


Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?


Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara - fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano,


Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.