Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Samoela 3:2 - Baiboly Katolika

Tamin’izany andro izany nony nandry i Helì teo amin’ny fitoerany, ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indray andro anefa, raha nandry tao amin’ny fandrianany i Ely ary efa nihapahina ny masony tamin’izany ka tsy nahita izy

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indray alina dia natory teo amin’ny toerana nahazatra azy i Helỳ izay efa akaiky ho jamba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray alina dia natory teo amin’ny toerana nahazatra azy i Helỳ izay efa akaiky ho jamba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’izany andro izany, raha nandry tao amin’ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indray andro anefa, raha nandry tao amin’ny fandrianany i Ely ary efa nihapahina ny masony tamin’izany ka tsy nahita izy

Jereo ny toko



1Samoela 3:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» - Ary hoy io taminy: «Inty aho.»


Fa efa nanjavona ny mason’i Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin’i Josefa nankeo anilany ireo, ka sady nanoroka no namihina azy i Israely.


Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»


Dia nanao araka izany ny vadin’i Jerôbôama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon’i Ahiasa. Tsy nahajery intsony i Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon’ny fahanterana ny masony.


Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!


amin’ny andro angovitan’ny mpiandry trano, ikainkonan’ny lehilahy matanjaka, iatoan’ny ankizy vavy mitoto, fa mihavitsy isa; ihamaizinan’ireo mitazana eo am-baravarankely,


Efa antitra dia antitra i Helì, ary nandre ny nataon’ny zanany tamin’i Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin’ny vehivavy nanompo teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana,


Ary efa valo amby sivifolo taona i Helì fahizàny; tsy nihetsika ny masony ary tsy nahita intsony izy.