1Samoela 26:2 - Baiboly Katolika Dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa, mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely, hitady an’i Davida, any an’efitr’i Zifa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Saoly ka nidina nankany an-tany efitr’i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ny Israely hanaraka azy hitady an’i Davida any an-tany efitr’i Zifa. DIEM PROTESTANTA Dia nidina nankany an-taniefitr’i Zifa i Saoly nitondra miaramila telo arivo voafantina tamin’i Israely mba hitady an’i Davida any. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nidina nankany an-taniefitr’i Zifa i Saoly nitondra miaramila telo arivo voafantina tamin’i Israely mba hitady an’i Davida any. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr’i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ny Isiraely hanaraka azy hitady an’i Davida any an-efitr’i Zifa. Malagasy Bible Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa. La Bible en Malgache Dia niainga i Saoly ka nidina nankany an-tany efitr’i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ny Israely hanaraka azy hitady an’i Davida any an-tany efitr’i Zifa. |
Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.
Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: «Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!» Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.
Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: «Indro i Davida any an’efitr’i Engadi.»
Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.